Chapter 7
1 Miverena, miverena, ry Solemita; Miverena, miverena, mba hijerenay anao. Inona no hitanareo amin’ ny Solemita? Dihy tahaka ny an’ i Mahanaima1.
- Na: ataon’ ny mpandihy roa tonta;
2 Endrey! mahate-hijery ny famindran’ ny tongotrao mikiraro1, ry zazavavy zanak’ andriana! Dia tahaka ny firavaka ny amboam-penao, nataon’ ny tanan’ ny mahay zavatra.
- Heb mikapa.
3 Ny foitrao dia tahaka ny tomaboha kivorivory; Tsy ho diso divay noharoharoan-java-manitra anie izy! Ny kibonao dia tahaka ny vary tritika voatoby sady voaravaka lilia manodidina.
4 Ny nononao roa dia tahaka ny gazela kambana mbola tanora.
5 Ny vozonao dia tahaka ny tilikambo ivory; Ny masonao dia tahaka ny kamory any Hesbona, dia eo am-bavahadin’ ny tanàna be olona1; Ny oronao dia tahaka ny tilikambo any Libanona, izay manandrify an’ i Damaskosy.
- Na: eo am-bavahadin’ i Beta-rabina.
6 Ny lohanao dia tahaka an’ i Karmela, ary ny volon-dohanao milantolanto dia somary volomparasy. Voatanan’ ny volo olioly ny mpanjaka!
7 Endrey! tsara tarehy sady mahafinaritra ianao, ry malala1, amin’ izao zava-mahafinaritra rehetra izao!
- Heb ry fitiavana.
8 Izato tsangananao dia tahaka ny rofia1, Ary ny nononao dia tahaka ny sampahony.
- palma.
9 Hoy izaho: Hananika ny rofia1 aho ka handray ny rantsany; Ary aoka ny nononao ho toy ny sampahom-boaloboka amiko, ary ny fofonainao ho tahaka ny an’ ny poma,
- palma.
10 Ny vavanao dia toy ny divay tsara, eny, divay mikorotsaka mora eo an-tendan’ ny malalako sady miditra misononoka amin’ ny molotry ny matory.
11 An’ ny malalako aho, sady manina ahy1 izy.
- Heb ho amiko ny faniriany;
12 Avia, ry malalako, aoka handeha ho any an-tsaha isika; Andeha handry any ambanivohitra isika.
13 Dia aoka hifoha maraina koa ho any an-tanim-boaloboka isika; Aoka hizahantsika raha mitsimoka ny voaloboka, sy mivelatra ny voniny, ary mamony ny ampongabendanitra any no hanehoako ny fitiavako anao.
14 Mamerovero tsara ny dodaima1, sady ao am-bavahadintsika misy voankazo tsara samy hafa, na ny vao na ny ela: Efa notehiriziko ho anao izany, ry malalako.
- mandragora.