Chapter 64
1 Dia tahaka ny fandevon’ ny afony tapa-kazo maina sy ny fampangotraky ny afo ny rano mba hampahafantatra ny fahavalonao ny anaranao ka hangovitra eo anoloanao ny jentilisa.
2 Raha nanao zava-mahatahotra izay tsy nantenainay Hianao, dia nidina, ka nihorohoro1 teo anoloanao ny tendrombohitra.
- Heb nitresaka.
3 Fa hatrizay hatrizay dia tsy mbola ren’ ny olona, na nohenoiny, Na hitan’ ny masony, Izay Andriamanitra miasa1 ho an’ ny miandry Azy afa-tsy Hianao.
- Na: niempo.
4 Mitsena1 izay mifaly hanao ny marina Hianao, dia izay mahatsiaro Anao amin’ ny lalanao; indro, Hianao dia tezitra, ary hita fa meloka2 izahay; Hatramin’ ny ela dia izany no toetray, ka dia hovonjena va?
- Na: Miantra.
- Na: ary efa nanota.
5 Fa samy efa tahaka ny olo-maloto izahay rehetra, ary tahaka ny lamba mihosin-drà ny fahamarinanay rehetra; Malazo tahaka ny ravina izahay rehetra, ary ny helokay mipaoka anay tahaka ny rivotra,
6 Tsy misy miantso ny anaranao, na mifoha hifikitra aminao; fa efa nanafina ny tavanao taminay Hianao ka nandevona anay noho ny helokay.
7 Fa ankehitriny, Jehovah ô, rainay Hianao; izahay dia tanimanga, ary Hianao no mpanefy anay, ary asan’ ny tananao izahay rehetra.
8 Aza dia tezitra mafy loatra, Jehovah ô. Ary aza dia mahatsiaro heloka mandrakizay; masìna Hianao, tsinjovy, fa olonao izahay rehetra.
9 Tonga efitra ireo tanànanao masìna, Eny, tany lavavolo Ziona, ary efa lao Jerosalema.
10 Ny tranonay masìna sady mendrika, Izay nideran’ ny razanay Anao, dia voadotry ny afo, ary rava ny zavatray mahafinaritra rehetra.
11 Ary mbola mahatsindry fo amin’ izany zavatra izany ihany va Hianao, Jehovah ô? Hangina va Hianao ka hampahory anay mafy loatra?