Chapter 20
Vavaka ho an’ ny mpanjaka raha mivoaka hanafika
1 Ho an’ ny mpiventy hira. Salamo nataon’ i Davida.
2 Hihaino anao anie Jehovah amin’ ny andro fahoriana; hitondra anao ho any amin’ ny avo anie ny anaran’ Andriamanitr’ i Jakoba.
3 Hahatonga famonjena ho anao avy amin’ ny fitoerana masìna anie Izy, ary hanohana anao avy any Ziona.
4 Hahatsiaro ny fanatitra hohaninao rehetra anie Izy, ary hankasitraka ny fanatitra doranao. [Sela.]
5 Hanome anao araka ny fonao anie Izy ary hahatanteraka ny fisainanao rehetra.
6 Aoka hihoby noho ny famonjena azonao izahay, ary amin’ ny anaran’ Andriamanitray no hanangananay faneva; ho tanterahin’ i Jehovah anie ny angatahinao rehetra.
7 Ankehitriny dia fantatro fa Jehovah mamonjy ny voahosony; hamaly azy avy amin’ ny lanitry ny fahamasinany Izy amin’ ny herin’ ny famonjen’ ny tànany ankavanana.
8 Ny sasany mitoky amin’ ny kalesy, ary ny sasany amin’ ny soavaly; Fa raha izahay kosa, dia ny anaran’ i Jehovah Andriamanitray no hoderainay.
9 Ireo dia reraka sady lavo; fa izahay kosa efa mitsangana sy mijoro,
10 Jehovah ô, vonjeo ny mpanjaka; hamaly anay anie Izy1 amin’ izay andro iantsoanay Azy.
- Na: Jehovah ô, vonjeo! Hamaly anay anie ny Mpanjaka.