reltext

Chapter 102

Fitarainan’ ny mpanompon’ Andriamanitra noho ny fahoriana nahazo azy sy ny naharavan’ i Jerosalema

1 Fivavaky ny ory, raha reraka izy ka mandoatra ny alahelony eo anatrehan’ i Jehovah.

2 Jehovah ô, henoy ny fivavako, Ary aoka hankeo aminao ny fitarainako.

3 Aza manafina ny tavanao amiko amin’ ny andro fahoriako; Atongilano amiko ny sofinao; Amin’ ny andro itarainako dia faingàna hamaly ahy.

4 Fa levon-ko setroka ny androko Ary ny taolako mahamay tahaka ny forohana.

5 Taninina tahaka ny ahitra ny foko ka malazo; Fa hadinoko na dia ny fihinanan-kanina aza.

6 Noho ny fisentoan’ ny foko Ny taolako miraikitra amin’ ny hoditro.

7 Tahaka ny sama any an-efitra aho, Ary tahaka ny vorondolo any an-tanànaolo.

8 Tsy mahita tory aho Sady tahaka ny tsikirity irery eo an-tampontrano.

9 Mandatsa ahy mandrakariva ny fahavaloko. Izay misafoaka amiko dia manao ahy ho fiozonana.

10 Fa lavenona no nohaniko tahaka ny mofo; Ary ny zavatra nosotroiko noharoharoiko ny ranomasoko,

11 Noho ny fahaviniranao sy ny fahatezeranao; Fa naingainao aho, kanefa natontanao indray.

12 Ny androko dia tahaka ny aloka efa mandroso; Ary efa malazo tahaka ny ahitra aho.

13 Nefa Hianao, Jehovah ô, mipetraka manjaka mandrakizay; Ary ny fahatsiarovana Anao mihatra amin’ ny taranaka fara mandimby.

14 Hianao hitsangana ka hamindra fo amin’ i Ziona; Fa efa andro hamindram-po aminy izao; Eny, tonga ny fotoana.

15 Fa sitraky ny mpanomponao ny vatony, Sady malahelo ny vovo-taniny izy.

16 Hatahotra ny anaran’ i Jehovah ny jentilisa, Ary ny mpanjaka rehetra amin’ ny tany hatahotra ny voninahitrao;

17 Fa Jehovah nanangana an’ i Ziona; Niseho tamin’ ny voninahiny Izy;

18 Nijery ny fivavaky ny mahantra Izy Ka tsy nanevateva ny fivavany.

19 Hosoratana ho an’ ny taranaka mandimby izany; Ary izay firenena mbola hoforonina no hidera an’ i Jehovah;

20 Fa Izy nitazana tany amin’ ny fitoerany masìna any amin’ ny avo. Tany an-danitra no nitsinjovan’ i Jehovah ny tany,

21 Mba hihaino ny fisentoan’ ny mpifatotra Sy hanafaka izay voatendry ho faty1,

  1. Heb zanaky ny fahafatesana.

22 Mba hotorina any Ziona ny anaran’ i Jehovah, Ary ny fiderana Azy any Jerosalema,

23 Rehefa tafangona ny firenena Sy ny fanjakana maro hanompo an’ i Jehovah.

24 Efa nahaketraka ny heriko tany an-dalana Izy; Efa nahafohy ny androko Izy;

25 Hoy izaho: Andriamanitro ô; aza maka ahy an-tenatenan’ ny androko; Ny taonanao mihatra amin’ ny taranaka fara mandimby.

26 Tany aloha no nanorenanao ny tany; Ary asan’ ny tananao ny lanitra.

27 Ireo dia ho levona, fa Hianao no maharitra; Izy rehetra ho rovitra toy ny fitafiana; Toy ny lamba no hanovanao azy, ka hovana izy;

28 Fa Hianao no tsy miova, Ary ny taonanao no tsy ho tapitra.

29 Ny zanaky ny mpanomponao handry fahizay1, Ary ny taranany hampitoerina eo anatrehanao.

  1. Na: dia mbola haharitra.