Chapter 67
Fanirian’ ny olo-marina mba hanaiky an’ Andriamanitra avokoa ny firenena rehetra
1 Ho an’ ny mpiventy hira. Hampiarahina amin’ ny valiha. Salamo. Tonon-kira.
2 Andriamanitra anie hamindra fo aminay sy hitahy anay; [Sela.] hampamirapiratra ny tavany aminay anie Izy;
3 Mba ho fantatra etỳ ambonin’ ny tany ny lalanao sy ny famonjenao any amin’ ny jentilisa rehetra.
4 Hidera Anao ny firenena, Andriamanitra ô; eny, hidera Anao ny firenena rehetra.
5 Hifaly sy hihoby ny firenentsamy hafa, Satria mitsara marina ny firenena Hianao; ny firenen-tsamy hafa ambonin’ ny tany dia entinao. [Sela.]
6 Hidera Anao ny firenena, Andriamanitra ô; eny, hidera Anao ny firenena rehetra.
7 Ny tany efa nahavokatra; mitahy antsika Andriamanitra, dia Andriamanitsika.
8 Mitahy antsika Andriamanitra; ary hatahotra Azy ny vazan-tany rehetra.