Chapter 76
Fiderana an’ Andriamanitra noho ny nisehoan’ ny fitsarany marina
1 Ho an’ ny mpiventy hira. Hampiarahina amin’ ny valiha. Salamo nataon’ i Asafa. Tonon-kira.
2 Andriamanitra dia fantatra eo amin’ ny Joda; malaza eo amin’ ny Isiraely ny anarany;
3 Naoriny ao Salema ny tranolainy, ary any Ziona ny fonenany.
4 Teo no nanapatapahany ny zana-tsipìka manelatra, sy ny ampinga sy ny sabatra ary ny fiadiana. [Sela.]
5 Mamirapiratra Hianao sady be voninahitra miseho avy any amin’1 ny tendrombohitra fitohàna.
- Na: noho.
6 Voababo ny mahery fo; renoky ny torimasony izy; ary samy ankona tsy nahahetsika1 ny tànany avokoa ny olo-mahery rehetra.
- Heb nahita.
7 Noho ny teny mafy nataonao, ry Andriamanitr’ i Jakoba, dia sondrian-tory ny kalesy sy ny soavaly.
8 Hianao no mahatahotra; ka iza no mahajanona eo anatrehanao, rehefa miseho ny fahatezeranao?
9 Avy tany an-danitra no nampandrenesanao fitsaràna. Raiki-tahotra ny tany ka sina,
10 Raha nitsangana hitsara Andriamanitra mba hamonjy ny mpandefitra rehetra ambonin’ ny tany. [Sela.]
11 Fa ny fahatezeran’ ny olona hidera Anao tokoa; ny fahatezerana sisa dia isikinanao.
12 Mivoadia, ka efao ny voadinareo amin’ i Jehovah Andriamanitrareo; aoka izay rehetra manodidina Azy hitondra fanatitra ho an’ Izay mahatahotra.
13 Manapaka ny reharehan’ ny lehibe Izy sady tahotry ny mpanjakan’ ny tany.