Chapter 60
Fiantsoan’ ny efa resim-pahavalo, mba hotsarovan’ Andriamanitra ny teniny
1 Ho an’ ny mpiventy hira Al-sho-shanedoth. Miktama nataon’ i Davida hampianarana,
2 fony izy nanafika an’ i Mesopotamia1 sy Arama-zoba tamin’ ny niverenan’ i Joaba ka namelezany ny Edomita roa arivo amby iray alin-dahy teo amin’ ny lohasahan-tsira.
- Arama-naharaima.
3 Andriamanitra ô, efa nanary sy nampihahaka anay Hianao; efa tezitra Hianao, velombelomy izahay.
4 Efa nampihorohoro ny tany Hianao ka namaky azy; amboary izay rava aminy, fa mihozongozona izy.
5 Efa nampahita ny olonao zava-tsarotra Hianao, ary efa nampisotro anay divay mampiraikiraiky.
6 Efa notoloranao faneva ny matahotra Anao, hatsangany noho ny fahamarinana. [Sela.]
7 Mba hahafahan’ ny malalanao, dia vonjeo amin’ ny tananao ankavanana aho, ka valio.
8 Andriamanitra niteny tamin’ ny fahamasinany hoe: hifaly Aho ka hizara an’ i Sekema; ary ny lohasahan’ i Sokota horefesiko;
9 Ahy Gileada, Ahy koa Manase; ary aron’ ny lohako Efraima tehim-panjakako Joda;
10 Tavin-dranoko fanasana Moaba; Edoma no anipazako ny kapako; mihobia noho ny amiko, ry Filistia.
11 Iza no hitondra ahy ho any an-tanàna mafy? iza no hitarika ahy ho any Edoma?
12 Tsy Hianao va, Izay efa nanary anay1, Andriamanitra ô. Sady tsy nivoaka niaraka tamin’ ny antokon’ ny miaramilanay, Andriamanitra ô?
- Na: Tsy efa nanary anay va Hianao.
13 Vonjeo amin’ ny mpandrafy izahay; fa zava-poana ny famonjena ataon’ ny olona.
14 Andriamanitra no haherezantsika; fa Izy no hanitsakitsaka ny fahavalontsika.