reltext

Chapter 64

Fiantsoana an’ Andriamanitra hanafaka amin’ ny fandrika amam-pitaka ataon’ ny olona, sy fanambarana ny havaliny ireny

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Salamo nataon’ i Davida.

2 Henoy ny feoko, raha mitaraina aho, Andriamanitra ô; arovy ny aiko amin’ ny tahotro ny fahavalo.

3 Afeno aho tsy ho azon’ ny firaisan-tetiky ny ratsy fanahy, sy ny fitabataban’ ny mpanao ratsy,

4 Izay mandranitra ny lelany ho tahaka ny sabatra, ka mikendry handefa ny zana-tsipìkany, dia teny mangidy.

5 Mba hitifitra mangingina ny mahitsy; mitifitra azy tampoka izy ka tsy matahotra.

6 Hamafiny ny hevi-dratsiny; mifampitaona hanao fandri-totofana izy ka manao hoe: iza no hahita izany?

7 Manao saim-petsy izy; omaniny tsara ny sain-dalina voaheviny; lalina ny ao anatin’ ny olombelona, dia ny fony.

8 Mitifitra azy Andriamanitra; tampoka toy ny fiantefan’ ny zana-tsipìka no fahavoazany.

9 Apotrany izy ka voasingotra ny lelany ihany; mandositra1 izay rehetra mahita azy.

  1. Na: Mihifikifi-doha.

10 Dia matahotra ny olona rehetra ka manambara ny ataon’ Andriamanitra sady mandinika tsara ny asany.

11 Mifaly amin’ i Jehovah ny marina ka mialoka aminy; eny, mifaly tena ny mahitsy fo rehetra.