reltext

Chapter 70

Fangatataham-pamonjena

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Nataon’ i Davida. Ho fampahatsiarovana.

2 Andriamanitra ô, faingàna hanafaka ahy; Jehovah ô, faingàna hamonjy ahy.

3 Aoka ho menatra sy hangaihay izay mitady ny aiko; aoka hiamboho sy ho afa-baraka izay faly amin’ ny manjo ahy;

4 Aoka hiamboho noho ny fahamenarany izay manao hoe: Hià! sakoa izay!

5 Aoka hifaly sy ho ravoravo aminao izay rehetra mitady Anao; ary aoka izay tia ny famonjenao hanao mandrakariva hoe: hankalazaina anie Andriamanitra.

6 Fa izaho dia ory sy malahelo; faingàna hankatỳ amiko, Andriamanitra ô; Mpamonjy sy Mpanafaka ahy Hianao; aza ela, Jehovah ô.