Chapter 36
Ny maharatsy ny miala amin’ Andriamanitra, ary ny mahatsara ny mihavana aminy
1 Ho an’ ny mpiventy hira. Nataon’ i Davida, mpanompon’ i Jehovah.
2 Ny ota milaza ato am-poko ny amin’ ny ratsy fanahy hoe1: tsy misy fahatahorana an’ Andriamanitra ao aminy.
- Na: Misy filazana ny ao am-pon’ ny ratsy fanahy manao hoe:
3 Fa miarahaba tena izy ny amin’ ny tsy hahitana ny helony ka hankahalana azy.
4 Ny tenin’ ny vavany dia faharatsiana sy fitaka; efa nihadala izy ka nitsahatra tsy hanao soa.
5 Faharatsiana no saintsaininy eo am-pandriany; mitsangana eo amin’ ny lalana tsy mety izy; ny ratsy tsy mba laviny akory.
6 Jehovah ô, mipaka amin’ ny lanitra ny famindram-ponao; mihatra amin’ ny rahona ny fahamarinanao.
7 Ny fahamarinanao dia tahaka ny tendrombohitra avo dia avo1; ny fitsaranao dia toy ny lalina indrindra; ny olona sy ny biby dia samy vonjenao, Jehovah ô,
- Heb tendrombohitr’ Andriamanitra.
8 Endrey ny hatsaran’ ny famindram-ponao, Andriamanitra ô! ka mialoka eo amin’ ny aloky ny elatrao ny zanak’ olombelona.
9 Voky ny matavy ao an-tranonao izy; ary ny ony fampifalianao no ampisotroanao azy.
10 Fa ao aminao no misy loharanon’ aina; ny fahazavanao no hahitanay fahazavana.
11 Ampahareto amin’ izay mahalala Anao ny famindram-ponao, ary ny fahamarinanao amin’ ny mahitsy fo.
12 Aoka tsy hanitsaka ahy ny tongotry ny mpiavonavona, na hampandositra ahy ny tanan’ ny ratsy fanahy.
13 Indreo! efa lavo ny mpanao ratsy; naripaka izy ka tsy maharina.