Chapter 22
Fitarainana mafy noho ny fahoriana, ary fisaorana noho ny fahafahana, sy filazana ny handrosoan’ ny fanjakan’ Andriamanitra
1 Ho an’ ny mpiventy hira. Alaieleth-hasahara. Salamo nataon’ i Davida.
2 Andriamanitra ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy ahy Hianao? Lavitra ny famonjena ahy ny tenin’ ny fitarainako.
3 Andriamanitro ô, miantso aho nony andro, nefa tsy mamaly Hianao; ary nony alina, nefa tsy mahita fiononana aho.
4 Kanefa masìna Hianao, Ry mipetraka eo ambonin’ ny fideran’ ny Isiraely.
5 Hianao no nitokian’ ny razanay; Natoky izy, ka namonjy azy Hianao.
6 Hianao no nitarainany, ka afaka izy; Hianao no nitokiany, ka tsy menatra izy.
7 Ary izaho dia olitra, fa tsy olona, fandatsan’ olona sy fanevatevam-bahoaka.
8 Izay rehetra mahita ahy dia manaraby ahy; manondro molotra izy sady mihifikifi-doha ka manao hoe:
9 Ankino amin’ i Jehovah1, dia aoka Izy hamonjy azy; eny, aoka Izy hanafaka azy, raha mankasitraka azy Izy.
- Na: Efa niankina tamin’ i Jehovah izy.
10 Fa Hianao no nampivoaka ahy avy tao an-kibo; nampandry ahy fahizay ianao, fony aho mbola nampinonoin’ ny reniko;
11 Nankinina taminao hatrany am-bohoka aho; hatrany an-kibon-dreniko dia Andriamanitro Hianao.
12 Aza manalavitra ahy Hianao, fa akaiky ny fahoriana, sady tsy misy mpamonjy.
13 Mitangorona amiko ireo ombilahy be, ny maherin’ i Basana manemitra ahy.
14 Misanasana vava amiko izy; eny, liona mamiravira sy mierona izy.
15 Efa rano aidina aho, ka mivaha ny taolako rehetra; tahaka ny savoka ny foko: miempo ato anatiko izy.
16 Maina tahaka ny tavim-bilany ny heriko, ary ny lelako miraikitra amin’ ny lanilaniko; ao amin’ ny vovoky ny fahafatesana no ametrahanao ahy.
17 Fa mitangorona amiko ny amboa, ny fiangonan’ ny ratsy fanahy manemitra ahy. Manindrona ny tongotro aman-tanako izy1
- Na: Manodidina ny tongotro aman-tanako hoatra ny liona izy.
18 Mahisa ny taolako rehetra aho ireo dia mibanjina sady mangarika ahy.
19 Mizara ny fitafiako ho azy izy; ary ny akanjoko ilokàny.
20 Fa Hianao, Jehovah ô, aza manalavitra; ry Heriko ô, faingana hamonjy ahy.
21 Vonjeo amin’ ny sabatra ny fanahiko, dia ny hany malalako amin’ ny herin’ ny amboa.
22 Vonjeo amin’ ny vavan’ ny liona aho; ary valio ho afaka amin’ ny tandroky ny ombimanga1.
- Na: teo amin’ ny tandroky ny ombimanga dia novalianao aho.
23 Hitory ny anaranao amin’ ny rahalahiko aho; eo amin’ ny fiangonana no hideràko Anao.
24 Hianareo izay matahotra an’ i Jehovah, miderà Azy; ry taranak’ i Jakoba rehetra, manomeza voninahitra Azy; ary matahora Azy, ry Zanak’ Isiraely rehetra.
25 Fa tsy manao tsinontsinona na marikorikon’ ny fahorian’ ny ory Izy, ary tsy mba manafina ny tavany aminy; fa raha mitaraina aminy ireny, dia mihaino Izy.
26 Avy aminao no ahazoako manao fiderana eo amin’ ny fiangonan-dehibe; ny voadiko dia hefaiko eo anatrehan’ izay matahotra an’ i Jehovah.
27 Hihinana ny mpandefitra ka ho voky; hidera an’ i Jehovah izay mitady azy; ho velona mandrakizay anie ny fonareo.
28 Hahatsiaro ka hiverina ho amin’ i Jehovah ny faran’ ny tany rehetra; ary hiankohoka eo anatrehanao ny fokon’ ny firenen-tsamy hafa.
29 Fa an’ i Jehovah ny fanjakana; ary manapaka amin’ ny firenen-tsamy hafa Izy.
30 Hihinana sy hiankohoka ny mpanefoefo1 rehetra ambonin’ ny tany, eo anatrehany no hiondrehan’ izay rehetra efa hidina any amin’ ny vovoka ka tsy mahavelona ny ainy.
- Heb matavy.
31 Hisy taranaka hanompo Azy; ary ny Tompo dia holazaina amin’ ny taranaka ho avy.
32 Hisy ho avy ka hanambara ny fahamarinany, amin’ ny olona izay mbola hateraka, fa Izy no nanao izany.