Chapter 51
Fifonan’ ny manan-keloka mba hahafahan’ ny helony sy hodian’ ny fifaliany amin’ Andriamanitra
1 Ho an’ ny mpiventy hira. Salamo nataon’ i Davida,
2 fony Natana mpaminany nankao aminy rehefa naka an’ i Batseba izy.
3 Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, araka ny fahasoavanao; araka ny haben’ ny fiantranao vonoy ny fahadisoako.
4 Sasao madio aho mba ho afa-keloka, ary diovy aho mba ho afa-pahotana.
5 Fa tsaroako ny fahadisoako, ary eo anatrehako mandrakariva ny fahotako.
6 Taminao dia taminao ihany no nanotako, ary izay ratsy eo imasonao no efa nataoko, mba ho marina Hianao, raha miteny, ary tsy hanan-tsiny Hianao, raha mitsara.
7 Indro, tamin’ ny heloka no niterahana ahy, ary tamin’ ny fahotana no torontoronina ahy ny reniko.
8 Indro, fahamarinana ao am-po no sitrakao; ary fahendrena ao amin’ ny miafina no ampahafantarinao ahy.
9 Diovy hysopa aho ho afa-pahotana, dia hadio; sasao aho, dia ho fotsy mangatsakatsaka1.
- Heb toy ny oram-panala.
10 Ampandreneso fifaliana sy faharavoravoana aho, hifalian’ ny taolana izay voavakivakinao.
11 Afeno ny tavanao ny fahotako ary vonoy ny heloko rehetra.
12 Amorony fo madio aho, Andriamanitra ô; ary havaozy hiorina marina ny fanahiko ato anatiko.
13 Aza manary ahy hiala eo anatrehanao; ary aza manaisotra ny Fanahinao Masìna amiko.
14 Ampodio amiko ny fifaliana amin’ ny famonjenao; ary tohàny fanahy mazoto aho.
15 Dia hampianatra ny olon-diso ny lalanao aho; ary ny mpanota hampiverenina aminao.
16 Vonjeo ho afaka amin’ ny valin-drà aho, Andriamanitra ô, Andriamanitry ny famonjena ahy; hihoby ny fahamarinanao ny vavako1.
- Heb ny lelako.
17 Tompo ô, sokafy ny molotro, dia hanambara ny fiderana Anao ny vavako.
18 Fa tsy fanatitra no sitrakao; raha izany dia nomeko ihany; ny fanatitra dorana tsy mahafaly Anao.
19 Ny fanatitra ho an’ Andriamanitra dia fanahy torotoro; ny fo torotoro sy mangorakoraka, Andriamanitra ô, tsy mba ataonao tsinontsinona.
20 Manaova soa amin’ i Ziona araka ny fahasoavanao; ataovy ny mandan’ i Jerosalema.
21 Dia ho sitrakao ny fanati-pahamarinana sy ny fanatitra dorana ary ny fanatitra levonina amin’ ny afo; dia hanatitra vantotr’ ombilahy eo amin’ ny alitaranao ny olona.