reltext

Chapter 30

Fisaorana nataon’ izay narary mafy noho ny namonjen’ Andriamanitra ny ainy

1 Salamo. Fihirana tamin’ ny nitokanana ny trano. Nataon’ i Davida.

2 Hanandratra Anao aho, Jehovah ô; fa nanintona ahy niakatra Hianao, ka tsy nataonao ho fifalian’ ny fahavaloko aho.

3 Jehovah Andriamanitro ô, nitaraina taminao aho, dia nahasitrana ahy Hianao.

4 Jehovah ô, efa nampakatra ny fanahiko avy tany amin’ ny fiainan-tsi-hita1 Hianao; efa nampody ny aiko Hianao, mba tsy ho isan’ izay midìna any an-davaka aho.

  1. Heb Sheola.

5 Mankalazà an’ i Jehovah, ry olony masìna, ka miderà ny anarany1 masìna.

  1. Heb fahatsiarovana.

6 Fa indray mipi-maso ihany ny fahatezerany; nefa mandritra ny andro iainana kosa ny fankasitrahany; amin’ ny hariva dia misy fitomaniana tonga hivahiny miloaka alina; Fa nony maraina kosa dia misy fihobiana.

7 Ary hoy izaho, raha mbola niadana1: tsy hangozohozo mandrakizay aho.

  1. Heb Na: noho ny fiadanako.

8 Jehovah ô, noho ny fankasitrahanao dia nampitoerinao mafy ny tendrombohitro; nanafina ny tavanao Hianao, dia ory aho.

9 Hianao no nantsoiko, Jehovah ô; ary Jehovah no nifonako hoe:

10 Inona no soa azo amin’ ny rako sy ny hidinako any an-davaka? Hidera Anao va ny vovoka? Hanambara ny fahamarinanao va izany?

11 Mihainoa, Jehovah ô, ka mamindrà fo amiko; Jehovah ô, aoka ho Mpamonjy ahy Hianao.

12 Efa nampody ny fisaonako ho fandihizana Hianao; efa nanaisotra ny lamba fisaonako Hianao ka nampisikina ahy fifaliana,

13 Mba hankalazan’ ny fanahiko1 Anao ka tsy hangina. Jehovah Andriamanitro ô, hidera Anao mandrakizay aho.

  1. Heb voninahitro.