Chapter 128
Ny hatsaran’ ny tokan-tranon’ ny olona matahotra an’ Andriamanitra
1 Fihirana fiakarana1. Sambatra izay rehetra matahotra an’ i Jehovah, Dia izay mandeha amin’ ny lalany.
Original Hebrew
- Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga.
2 Fa hohaninao tokoa ny asan’ ny tananao; Sambatra sady ambinina ianao.
Original Hebrew
3 Ny vadinao dia tahaka ny voaloboka mahavokatra Ao anatin’ ny tranonao; Ny zanakao dia tahaka ny zanak’ oliva Manodidina ny latabatrao.
Original Hebrew
4 Indro, fa toy izany no hitahiana Izay lehilahy matahotra an’ i Jehovah.
Original Hebrew
5 Hitahy anao avy any Ziona anie Jehovah; Ary ho faly hahita ny fahasoavan’ i Jerosalema anie ianao Amin’ ny andro rehetra hiainanao.
Original Hebrew
6 Eny, hahita ny zafinao anie ianao; Fiadanana anie ho amin’ ny Isiraely.
Original Hebrew