reltext

Chapter 12

Fitarainana noho ny tsi-fahamarinan’ ny maro

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Al-hasheminith. Salamo nataon’ i Davida.

2 Vonjeo, Jehovah ô, fa efa lany ny tsara fanahy; eny, tsy misy mahatoky intsony eo amin’ ny zanak’ olombelona.

3 Samy milaza lainga amin’ ny namany amin’ ny molotra mandrobo izy; fo mamorom-pitaka no itenenany.

4 Holevonin’ i Jehovah anie ny molotra mandrobo rehetra sy ny lela miteny avonavona,

5 Izay manao hoe: hampahery anay ny lelanay; miandany aminay ny molotray; iza no tomponay?

6 Noho ny fampahoriana ny ory sy ny fisentoan’ ny malahelo, dia hitsangana Aho ankehitriny, hoy Jehovah; hovonjeko izay vingavingain’ ny sasany1.

  1. Na: Hataoko mahita ny famonjena iriny izy.

7 Ny tenin’ i Jehovah dia teny madio, tahaka ny volafotsy voarendrika tao anatin’ ny memy ka mitsoriaka amin’ ny tany eny, voadio impito.

8 Hianao, Jehovah ô, no hiaro azy, Hianao no hiambina azy mandrakizay tsy ho azon’ ity taranaka ity.

9 Raha avy izay isandratan’ ny tsinontsinona eo amin’ ny zanak’ olombelona, dia mieboebo ombieniombieny ny ratsy fanahy. Fitarainana ataon’ izay azom-pahoriana mafy loatra.