reltext

Chapter 4

Fivavaky ny azom-pahoriana, sy fanantenany an’ Andriamanitra

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Hampiarahina amin’ ny valiha. Salamo nataon’ i Davida.

2 Raha miantso aho, mamalia ahy, ry Andriamanitry ny fahamarinako ô; Raha tao an-katerena aho, dia nohalalahinao toerana; Mamindrà fo amiko, ka henoy ny fivavako.

3 Ry lehibe, mandra-pahoviana no hataonareo ho henatra ny voninahitro, ary ho tia zava-poana sy hamoron-dainga ianareo? [Sela.]

4 Kanefa aoka ho fantatrareo fa efa navahan’ i Jehovah ho Azy ny tsara fanahy1; Jehovah hihaino, raha miantso Azy aho.

  1. Na: fa efa nomen’ i Jehovah voninahitra ny olo-masiny.

5 Tezera1, fa aza manota; mieritrereta eo am-pandrianareo, ka mangìna. [Sela.]

  1. Na: Mangovita.

6 Manatera fanati-pahamarinana, ary matokia an’ i Jehovah.

7 Maro no niteny hoe: iza no haneho soa antsika? Asandrato aminay ny fahazavan’ ny tavanao, Jehovah ô.

8 Efa nasianao fifaliana ny foko mihoatra noho ny tamin’ ny taona nahabetsahan’ ny variny sy ny ranom-boalobony.

9 Handry amin’ ny fiadanana aho, ka dia hatory miaraka amin’ izay, satria Hianao, Jehovah ô, no mampitoetra ahy mitokana irery tsy manana ahiahy.