reltext

Chapter 5

Salamo hatao amin’ ny maraina, milaza ny amin’ ny olona mahazo manatona an’ Andriamanitra, sy ny hitsarana ny ratsy fanahy

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Hampiarahina amin’ ny sodina. Salamo nataon’ i Davida.

2 Jehovah ô, henoy ny teniko; fantaro ny eritreritro.

3 Henoy ny feon’ ny fitarainako, ry Mpanjakako sy Andriamanitro ô; fa Hianao no ivavahako.

4 Jehovah ô, maraina no handrenesanao ny feoko; maraina no hivavahako1 aminao, ka hanandrandra aho.

  1. Heb handaharako.

5 Fa tsy Andriamanitra mankasitraka izay ratsy Hianao; tsy hitoetra aminao ny ratsy.

6 Tsy hahazo mijanona eo imasonao ny mpirehareha; halanao ny mpanao ratsy rehetra.

7 Haringanao ny mpiteny lainga; ny olona mpandatsa-drà sy mpamitaka dia ataon’ i Jehovah ho zava-betaveta.

8 Fa izaho kosa noho ny haben’ ny famindram-ponao dia hiditra ao an-tranonao; hiankohoka manatrika ny lapanao masìna amin’ ny fahatahorana anao aho.

9 Jehovah ô, tariho amin’ ny fahamarinanao aho noho ny amin’ ny mpampahory ahy; ataovy marina eo anoloako ny lalanao.

10 Fa tsy misy azo itokiana ny aloaky ny vavany; ny ao anatiny dia tena faharatsiana1; fasana misokatra ny tendany. Mandambolambo ny lelany izy.

  1. Na: lavaka mitanatana.

11 Helohy izy, Andriamanitra ô; Aoka ho lavon’ ny saina ataony izy; Roahy izy noho ny haben’ ny fahotany, satria efa niodina taminao.

12 Dia hifaly izay rehetra mialoka aminao, hihoby mandrakariva izy, koa miarova azy Hianao; ka dia ho ravoravo aminao izay tia ny anaranao.

13 Fa Hianao, Jehovah ô, mitahy ny marina; fankasitrahana no ataonao manodidina azy toy ny ampinga lehibe.