Chapter 3
Ny fahatokian’ izay manana an’ Andriamanitra ho Mpiaro, na dia be aza ny fahavalony
1 Salamo nataon’ i Davida, fony izy nandositra an’ i Absaloma zanany.
2 Jehovah ô, akory izato hamaroan’ ny mampahory ahy! Maro no mitsangana hanohitra ahy.
3 Maro no milaza ny fanahiko hoe: tsy manam-pamonjena amin’ Andriamanitra izy. [Sela.]
4 Kanjo Hianao, Jehovah ô, no ampinga manodidina ahy, Voninahitro sy mpanandratra ny lohako.
5 Amin’ ny feoko no iantsoako an’ i Jehovah, ary any an-tendrombohiny masìna no mamaly ahy Izy.
6 Izaho nandry ka natory; nifoha aho, satria Jehovah no manohana ahy. [Sela.]
7 Tsy hatahotra olona alinalina aho, izay milahatra manodidina hamely ahy.
8 Mitsangàna, Jehovah ô; vonjeo aho, Andriamanitro ô; fa efa namely ny takolaky ny fahavaloko rehetra Hianao; ny nifin’ ny ratsy fanahy novakivakinao.
9 An’ i Jehovah ny famonjena; Ho amin’ ny olonao anie ny fitahianao1. [Sela.]
- Na: Ho amin’ ny olonao ny fitahianao.